Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana ny any Andohan’Ilakaka, omaly. Tsipahin’izy ireo ny nanafoanan’ny fitsarana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tamin’ny birao fandatsaham-bato (BV) miisa 19 amin’ireo BV 34. “Tsy manaiky ny hoverezin-jo. Mitarika amin’ny elanelana 738 ny kandidànay ka lasa mpandresy indray ny Irmar izao”, hoy izy ireo.
Niarahaba ny eo anivon’ny fiangonana Anglikanina ny FFKM noho ny nahavoafidy ny Mgr Rateloson Rakotodravelo Gilbert hitantana ny Provansa Eklesiastikan’ny ranomasimbe Indianina. “Mirary soa anao izahay ary hanamafy ny fiombonantsika eto anivon’ny FFKM anie izany”, hoy ny fanambarana.
Tokony hatsahatra ny famitahana ny vahoaka, araka ny nambaran’ny jeneraly misotro ronono, Razakarimanana Ferdinand, ny faran’ny herinandro teo. “Ho sarotra sy hanahirana ny raharaha raha tsy miverina amin’ny vahoaka ny fahefana… Tokony hampiakarina koa ny fahefa-mividy fa tsy ny vidin-javatra no hampidinina”, hoy izy.
Miantso ny rehetra hijoro ny eo anivon’ny Gasy sahy vonona, araka ny nambaran’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. “Aoka isika hifanome tanana ka hikaroka vahaolana manoloana izao zava-misy izao”, hoy izy ireo. Nanao antso avo amin’ny raiamandreny ara-drazana sy ara-panahy, ny Malagasy any ivelany sy ireo tia tanindrazana izy ireo, amin’izany.