Ao anatin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy La Réunion, notanterahina ny 17 janoary lasa teo, tao amin’ny Lycée technique professionnel du génie civil Mahamasina, ny fifaninanana « WorldSkills ». Ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no mandrisika sy manohana tanteraka ny hetsika, izay tanterahina miaraka amin’ny Direction de l’apprentissage de la formation initiale sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Somalaval academy, Unesco, AFD… Mpianatra sivy mianadahy, avy amin’ny taranja CAP peinture, ao amin’ny LTPGCM no nandray anjara tamin’ny fifaninanana ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Hiatrika ny fivoriana fanomanana ho amin’ny fifantenana ara-pirenena “WorldSkills France” ny mpandresy amin’ity fifaninanana ity. Nisolo tena ny minisitra mpiahy ny sekretera jeneraly, Harisoamanarivo Angelico Hennodius, nandritra ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandresy.
Vonjy