Fikambanana Miavotra: Famatsiana legioma 1 taonina isam-bolana

Niorina ny taona 2014 ny fikambanam-behivavy Mia­votra any Ampitambe Mora­manga. Nahazo fiofanana ara-teknika amin’ny fambolena legioma sy voankazo tamin’ny orinasa Ambatovy izy ireo, ary efa mahaleo tena ara-pitantanana. Ankehitriny, mahatratra 1 taona isam-bolana ny vokatra vatsian’ny fikambanana Miavotra ho an’ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny taona 2023. Nilaza ny filohany, Razanamanana Floren­tine, fa voankazo sy legioma toy ny akondro, pasiteky, kôkômbra, korizety, sns, no vatsian’izy ireo ny orinasa.
Nanohana ny fikambanam-behivavy Miavotra tamin’ny lafiny fampitaovana, tamin’ny alalan’ny fanomezana zezika maimaimpoana sy fampiofanana ny lafiny teknikam-pambolena, ny Ambatovy. Notsorin-dRazanamanana Florentine, fa « nanampy betsaka anay tokoa ireny fampiofanana ireny satria nahafahanay nampitombo ny vokatra sady nanatsara ny fidiram-bolanay ».
Tsiahivina fa manana tetikasa manokana sy mazava ny tetikasa Ambatovy, hanohanana ireo mponina manamorona ny toeram-pitrandrahana sy ny ozinina any Toamasina. Ifantohana amin’izany ny fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Singanina amin’ireny ity fahombiazan’ny fikambanam-behivavy Miavotra any Am­pitambe ao amin’ny distrika Moramanga ity.

Njaka A.

Partager sur: