Global Gateway: Paikady ho an’ny fampandrosoana

Vita sonia omaly, tany Toliara, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny masoivohon’i Alemaina, ny masoivohon’i Frantsa ary ny Vondrona eoropeanina (UE) ho an’ny fampandrandrosoana an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny “Stratégie conjointe européenne à Madagascar ” (SCE) sy ny fanjakana malagasy. Hetsika hamaritana ireo tetikasa hatao hatramin’ny taona 2027. Mitentina hatrany amin’ny 5 000 miliara Ar (1 milliards €) ny tetibola hanatanterahina ireo asam-pampandrosoana samihafa. Tafiditra ao anatin’ny paikady “Global Gateway” an’ny UE ny SCE tanterahin’ireo ekipa avy any eoropa. Hetsika hamondronana ireo mpisehatra samihafa manana traikefa sy fahaiza-manao ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Anisan’ireo mpisehatra ao anatin’izany ireo masoivoho miasa eto Madagasikara, ny AFD sy ny rantsamangaika eny anivon’ny sehatra tsy miankina, toy ny Proparco, ny GIZ. Eo koa ny DG Echo sy ireo mpiara-miasa aminy, toy ny BEI sy ny KFW. Tanjon’ny SCE ny hiady amin’ny fahantrana, ny hampiroborobo ny fampandrosoana ny toekarena lovain-jafy, ny ady amin’ny fahasamihafana, ny hampiroborobo ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Ireto farany izay mifanandrify amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) mifototra amin’ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena ary fitondrana tsara tantana.
Mpiara-miombon’antoka
Porofo izao fa mpiara-miombon’antoka sy niara-niasa tamin’ny firenena malagasy nandritra ny taona maro i Alemaina, Frantsa ary ny UE. Mbola hitohy anio ny hetsika, hatrehin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.

Henintsoa H.

Partager sur: