Betsaka ny mpiasa manatona ny toeram-pitsaboana misahana manokana ny fahasalamany amin’izao fotoana izao. Ny aretin’ny taovam-pisefoana no matetika ahitana olana, hoy ny mpitsabo. Miovaova be ny maripana sy ny toetry ny andro. Ny fahalotoan’ny rivotra fohina koa manampy trotraka, indrindra rehefa tsy mirotsaka ao anatin’ny andro maromaro ny orana.
Misokatra ny trano vaovao natao handraisana ireo zatovovavy 14 ka hatramin’ny 17 taona, ahitana toerana famakiam-boky sy toeram-pitsaboana, miampy kianja filalaovana ao amin’ny Centre enfant du soleil Itaosy. Ny fondation Axian no namatsy vola ny fotodrafitrasa. Nisy tantsoroka ho fanohanana ny Akany avy amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina nahitana vary, menaka, savony ary sira. Tanjona ny hanomezan-danja ny fiarovana ny zon’ireo zatovovavy beazina ao amin’ny Akany.
Notokanana ny faran’ny herinandro teo, ny laboratoara afaka mivezivezy an’ny Institut de recherche pour le développement (IRD) sy ny Muséum national d’histoire naturelle. Fiaraha-miasa eo amin’ny Frantsa sy ny Oniversiten’Antananarivo ho fiarovana ny rohivoahary no tanjona. Ahafahana manao fanadihadiana lalina momba ny fiainan’ny karazana zavamananaina manoloana ny tsindry mahazo ny tontolo iainana ny laboratoara.
8 094 ny olona traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany avaratra sy tany atsimo andrefana, avy amin’ny tokantrano 2 697 ireo. 11 ao amin’ny faritra Analanjirofo, 3 809 ao Diana ary 3 353 ao Sava. Dimy ao Sofia ary 734 ao Atsimo Andrefana, araka ny tatitry ny BNGRC, ny faran’ny herinandro teo.