Judo-Kigami Biraki : Namaly ny antso avokoa ireo klioba

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Kigami Biraki”. Hetsika fanamarihana ny taona vaovao 2025, nokarakarain’ny klioban’ny Hakudokan. Azo lazaina ho nahomby izy ity satria namaly ny antso avokoa ireo klioba rehetra teto Analamanga. Toy ny efa mahazatra isan-taona, tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ny masoivohon’i Japana, ny Federasiona malagasin’ny Judo, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ireo klioba mpandray anjara. Nambaran’ny mpikarakara fa tanjona amin’ity hetsika ity ary tsy mbola niova hatramin’izao, ny firaisankina sy firaisan-tsaina na ny Jita Kyo Ei ary tratra izany tamin’ity taona 2025 ity. Satria, tonga maro ny mpandray anjara.
Ankoatra ny fankalazana ny “Kigami Biraki”, nisy ny fifaninanana teo amin’ny sokajy Vétérans, nandritra ny tapany faharoan’ny fandaharam-potoana. Teo ihany koa ny fanolorana sy fampakarana grady ireo nahavita be teo amin’ ny taranja Judo. Hanatsara hatrany ny hetsika sy hanitatra izany amin’ny ambony kokoa ny mpikarakara, raha ny fanazavany hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: