Misondro-bidy ny akora fototra : Sahirana ny mpivarotra sakafo masaka eto an-dRenivohitra

Misedra fahasahiranana ireo mpivarotra hani-masaka amin’izao fotoana izao. Niakatra avokoa ny akora fototra ampiasaina isan’andro ka mihenabe ny tombom-barotra na tsy misy mihitsy indraindray.

Tsy maintsy mitady hevitra ireo mpivarotra hani-masaka mba tsy hamono antoka ny asa fivelomany ny sondro-bidy saika isan-kerinandro. « Ny fitombon’ny vidim-bary eny an-tsena no tena mavesatra amin’ny fandaniana ka hahena ny fatran’ny vary aroso eny am-bilian’ny mpihinana », hoy ny mpivarotra sakafo masaka iray. Tsy ho zakan’ny mpanjifa raha hampiakatra ny vidin-tsakafo iray vilia fa ny fatra no amboarina kely. Ny hena koa atao madinidinika ny tetika ka mahazo betsaka, ny fangarony no manampy azy.
4 000 Ar ny kilaon’ny vary vokatra eto an-toerana ka misy ny mpahandro no manafangaro azy amin’ny vary “stock”. Ny anana sy ny legioma koa efa mandeha amin’ny kilao eny Anosibe sy Na­montana ary Andravoahangy. Mamonjy ny tsenan’ny tantsaha vao maraim-be no tena vahaolana nefa matahotra amin’ny tsy fandriampahalemana koa ireo mpiantsena.
Fihariana an-taonany ma­ro ny fampisakafoana olona, mpiasa sy mpianatra isaky ny atoandro, fa mety hikatona aloha ny tsena mandra-pidin’ny vidim-bary sy ny fangaron-daoka satria tsy mahaleo ny sarany ny vidiny matetika, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao sakafo iray. Atao kelikely ny karazan-tsakafo amidy mba tsy hisy ambim-bava fa lafo avokoa isan’andro.
Ny ankamaroan’ny mpihinana koa efa nisafidy ny hitondra sakafo masaka avy any an-trano na mividy mofo fotsiny fa tsy mihinam-bary intsony ny atoandro.
Nampiova ny vola miditra amin’ny mpivarotra sakafo masaka avokoa ny zava-misy sy ny krizy.
Ny composé sy ny lasopy izao no mbola ahitana tombony satria 1000 Ar ka hatramin’ ny 2000 Ar ny iray vilia. Raha vao sakafo mihoatra an’izay sora-bola izay dia efa mampisalasala ny mpihinana.

Vonjy

Partager sur: