“Mahantra isika, tsy tokony hijanona amin’izao na hoentina amin’ny fahantrana hafa indray koa amin’ny korontana. Inona no tena tokony hamahana an’io fahantrana io?”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Firy taona izay, nisy fifanatonana teto fa mijanona ihany ny fahantrana. Tsy mbola tena nojerena izany ny antony fototry ny fahantrana. Manoloana ny zava-mitranga iainan’ny firenena amin’izao: miara-mahalala ny rehetra, miara-mahita, miara-mandre, miara-miaina ny fahasarotan’ny fiainana. Ao anatin’ny fahantrana ny Malagasy. Tsy anomezan-tsiny an’iza io, fa izay no fahatsapana ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy mety ary tsy mendrika ny Malagasy ny mijanona amin’izany, raha izao ny harena nomen-Janahary. Tsy mety ary tsy rariny ho an’ny Malagasy koa ny mbola hitondrana azy ao anaty korontana.
Mbola miteraka fahantrana lalina kokoa ny korontana. Satria rehefa misy fifandonana dia krizy izany. Aorian’ny krizy: fahantrana mihamafy no dikan’izany. Samy tsy mendrika ny Malagasy izany lalana roa izany: ny fitazonana ny Malagasy amin’izao fahantrana izao, na ny fitondrana azy ho amin’ny korontana ho amin’ny fahantrana lalina kokoa. Eo anelanelan’izay lalana roa izay, misy lalana fahatelo mazava be nosoritan-Janahary. Io ny fihavanana ho an’ny manam-panahy, afa-mandala ny soatoavina: fifampihainoana, fifampiresahana, fifanatonana, fifanomezan-kevitra… Ny hevitry ny maro, mahataka-davitra. Ilaina izany. Fa tsy fifanatonana terena…
R. Nd.