Rijade : Hiara-hiasa amina vahiny mpanakanto maro

Voafidy ho masoivohon’ny Yas ihany koa i Rijade. Mariky ny fisokafany eo amin’ny mozika izany, izay arahin’ny famoahana vokatra iarahany amina vahiny mpanakanto maro, amin’ity taona 2025 ity.

“Andro manokana ho ahy ity anio ity”, hoy ny nambaran’i Rijade, omaly. Andro izay nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny maha ambasadaoron’ny Yas azy, toa ireo mpanakanto namany efa voafidy amin’izany. Notontosaina tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo ny fanambarana ny maha mpikam­bana ao anatin’ny fianakavi­amben’ny Yas ity mpanakanto zanak’i Nosy Be ity. Natolotra azy tamin’izany ny akanjo ho marika, toy ny natao tamin’ ireo namany teo aloha. I Rijade izany no masoivohon’ny Yas fahafolo, ankoatra an’ireo mpa­nakanto vokarin’ny Davalt Rwikordz.
Tsara fanombohana, araka izany, ny taona 2025 ho an’i Rijade. Mbola nambarany omaly ihany koa fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ ireo mpanakanto maro izy, ary misy vahiny izany. “Hamoaka hira maromaro, fampiaraham-peo amina mpanakanto afri­kanina namana aho amin’ity. Misy hira amin’ny teny fran­tsay, misy amin’ny teny anglisy ireo, ka amin’ny volana marsa no hivoaka ny voalohany. Tan­jona ny hahazoana mpankafy vaovao sy maneran-tany mba hizarako ny mozikako”, hoy ha­trany i Rijade. Tsy mbola nambarany aloha hoe iza avy ireo mpanakanto iarahany miasa, saingy efa nanomboka ny asa izy tany Frantsa farany teo.

Novolavolain’ny mozika avy any avaratra
Inona ny masontsivana nahalany an’i Rijade ho ma­soi­vohon’ny Yas? Mazava loatra fa ny lazany. Nitombo isa ireo mpankafy ny mozikany rehefa niroso tamin’izay fivelarana izay, na dia tsy niala tamin’ny fototra maha Malagasy aza. Zanak’i Nosy Be ary lehibe tany i Judiane Truong Hu Kha, satria izay no tena anarany. Novolavolain’ny kolontsaina sy ny mozika avy any avaratra izy, satria olo-malaza eo amin’ ny sehatry ny fikarakarana hetsika ara-javakanto any Nosy Be ny rainy, Loulou Kha. Nihirahira noho ny fitiavana hira fotsiny anefa i Judiane sy i Ricky, anadahiny, nialoha ny taona 2008. Nandray anjara tamin’ireo fifaninan-kira ho an’ny talenta vao tao Nosy Be izy mianadahy, ary nivoaka ho mpandresy foana. Tsy naharitra anefa, satria nindaosin’ny fahafatesana i Ricky. Ho faha­tsiarovana azy kosa no nanam­barany ny anaran’izy mianadahy, ka nitondrany ny anarana Rijade. Niroso tamin’ny famoronan-kira, ary namoaka ny rakikirany voalohany izy ny taona 2010. Niavaka noho ireo faheno mahazatra, ka nandona fon’ny maro ireo hira “Les filles de Nosy Be”, “Mimpodiana”, sns. Nanokatra ny fiaraha-miasan’i Rijade tamina mpanakanto hafa ihany koa izany: Shao Boana sy Bock’R tamin’ilay hira ”Ma­so­andra mody hariva”, Rah-Dada (Ndao Hifankatia); DJ Knife (Maman), Jior Shy (Lelahy) ary i Basta Lion (Mararin’ny fitiavagna). Nanorim-ponenana tany andafy i Rijade taty aoriana, kanefa mivezivezy hatrany kosa eto Madagasikara, ary miezaka amin’ny fitetezam-paritra isan-karazany.

Zo ny Aina

Partager sur: