Nanatanteraka fanazarantena sy fiofanana ho an’ny mpanazatra ny eo anivon’ny ligin’Analamangan’ny taranja kung fu, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny Grand Maitre Avoko. Ny faritra Itasy indray no hisitraka ity fanazarantena sy fiofanana ity amin’ny fotoana manaraka. Hotanterahina ny 25 janoary izao kosa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, ho an’ny taranja Kung fu.
Ao anatin’ny fifaninanana rezionaly ho an’ny sokajy Jeunes amin’izao ny eo anivon’ny ligin’ Analamangan’ny taranja Volley-ball. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny kianja Akany Sambatra Itaosy. Lalao teo amin’ny 30 teo no notontosaina ny sabotsy 18 sy alahady 19 janoary lasa teo, mbola hitohy ny faran’ny herinandro izao izany, araka ny fandaharam-potoana.
Niatrika ny lalao voalohany tao amin’ny Paris Fc, sokajy U19, i El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra, omaly, tany France. Nihaona tamin’ny FC Metz ny tenany sy ity kliobany vaovao ity. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, ary 70 minitra ihany ny fe-potoana nomena ity Malagasy lohalaharana ity, tamin’izany. Marihina fa tsy nahatafiditra baolina i El Hadary tamin’io fifanandrinana io.
Mitarika vonjimaika eo amin’ny laharana voalohany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, ny klioba Real Madrid, amin’izao fotoana izao. Manana isa 46 izy ireo, ary manaraka azy ao kosa, ny Atletico Madrid, 44 isa, raha toa ka fahatelo, ny Fc Barcelone, 39 isa.