Hotanterahina ny volana oktobra ho avy izao, any Croatie, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Taekwondo ITF (TKD ITF). Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Kaomisionina malagasin’ny TKD ITF, hisy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hatao mialoha ity fifaninanana ity, mba hahafahana mitily ireo izay handrafitra ny ekipam-pirenena.
Araka ny filazan’ny mpampita vaovao iray, eo anivon’ity kaomisionina ity, nasain’ny Federasiona iraisam-pirenena TKD ITF, i Paul Weiler, hanatrika ity fifanintsanana lehibe ity ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson.
Ankoatra izay, hampiantrano hetsika lehibe iray i Madagasikara amin’ity taona 2025 ity. Hatao etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 2 – 4 mey ho avy io, ny fampiofanana tarihin’i Grand Master Paul McPhail, eto amin’ny kaontinanta Afrika.
F.R