Tapaka ny sandriny: Vehivavy voavelin’ny bois rond misy fantsika

Miverina indray ny bois rond misy fantsika! Ny faran’ny herinandro teo, efa nisy trangana vonoan’olona roa tao amin’ny fokontany Andranomadio sy Mangarano.

Ny alin’ny alahady teo ihany, tao amin’ny fo­kontany Tsararivotra ambadiky ny kianja manara-penitra Sta­dium, renim-pianakaviana iray indray naratra mafy voadaroka tamin’ny bois rond misy fantsika. Tom­banan’ny maro fa mety ho toy izao koa no nahavoa ireo roa lahy namoy ny ainy teo aloha. Ny fanadihadiana azy no nahalalana fa nivahiny tao aminy ny zanany ny alahady. Nony efa hody anefa io zanany io, nateriny somary niala kely ny tranony. « Zanaky ny tena rahateo izy sady efa fanaoko rahateo izany », hoy izy. Nijanona nivalandrano anefa izy ka nandritra izany no nisy jiolahy telo nanatona azy. Nangataka vola ry zalahy saingy nilaza ho tsy manana ilay renim-pianakaviana. Vo­kany, novelesin’ireo jiolahy tamin’ny hazobe nisy fantsika izy. Na teo aza anefa izany, niantso vonjy izy sady nitsoaka ihany. Tsy nanaraka intsony kosa ireo jiolahy. Nentina haingana namonjy hopitaly izy. Nilaza ny dokotera tao amin’ny hopitaly fa hoe misy tapaka ny taolana eo amin’ny sandriny.
Mametraka ahiahy tamin’ny fivoahan’ny voafonja miisa 121 ny zoma tolakandro teo ny fiarahamonina manoloana izao toe-javatra ao Toamasina izao. Miverina mampihorohoro ny mpiara-monina indray ireo andian-jiolahy miaraka amin’ ny bois rond misy fantsika.

Sajo/J.C

Partager sur: