“Afrobasket 2025”: Hidona voalohany amin’ny Ankoay i Côte d’Ivoire

Namoaka ny fandaharan-dalao amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “D”, hiadian-toerana ho an’ny “Afro­basket 2025” ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly. Fihao­nana miverina ho an’ny sokajy lehilahy, tanterahina eto Mada­ga­sikara, ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary ho avy izao. Fan­tatra fa hidona voalohany amin’ ny Ankoay ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Nambaran’ny mpanazatra fa manan-danja hatrany ny lalao voalohany amin’ny fihaonana iraisam-pirenena toa izao. Ry zareo Ivoa­rianina rahateo, tsy manao ambanin-javatra ity fihaonana ity ka nanafatra ireo mpilalao sangany manerana an’i Eoro­pa, hatrany Etazo­nia. Anisan’ ire­ny i Ugo Doum­bia sy i Sydney Hawmmond ary i David Gassaud.
Ny Ivoarianina izay mitarika vonjimaika amin’ity sokajy “D” ity, nandresy intelo ary manana isa 6. Hanala vela amin-dry za­reo Elefanta rahateo ny Ankoay amin’ity. Araka izany, hi­endrika famarananakely, araka izany, ny fihaonan’ny roa tonta. Ao­rian’io, hifanandrina amin’ny Faraonan’i Egypta ny Ankoay, ny sabotsy 22 febroary. Fi­haonana farany ho an’ny Ankoay ny fifanandrinana amin’ i Centrafrique, ny alahady 23 febroary. Tafita hiatrika ny “Afrobasket 2025” hatao any Angola, ny volana aogositra ho avy izao, ireo firenena telo voalohany amin’ity vondrona “D” ity.

Tompondaka

Partager sur: