Airtel Africa: Mampiroborobo ny niomerika ny mpanakanto

Misehatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ny fifanakalozam-bola amin’ny finday ny orinasa Airtel Africa, amin’ny firenena 14 eto Afrika. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanakanto sangany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mi­isa telo, Fally Ipupa avy any Repoblika demokratika Congo (RDC), Diamond Platnumz (Tanzania) ary Simi (Nizeria), hampiroboroboana ny fampiasana fifandraisan-davitra niomerika, nanomboka ny 20 ja­noary 2025 teo. Tanjona ny hi­sarihana ny mpanjifa hana­tsara ny fampiasany ny tolotry ny Airtel Africa. Hampahafan­ta­rin’ireo mpanakanto telo ireo amin’ny alalan’ny hira manokana ny torohevitra sy ny tolotra isan-karazany omena ny mpanjifa. Anisan’izany ny tolotra amin’ny fiainana andavanandro, ny fidirana amin’ny internet, ny fifampiresahana mivantana ho an’ny olona ma­romaro (streaming), sns.
Nanatontosa azy ny #SmartaWithData, misehatra amin’ny fanabeazana amin’ny fampiasana sy fitantanana ny tontolon’ny niomerika. Nilaza ny talen’ny tsena sy varotra Airtel Africa, Rohit Marwha, fa « tanjona ny hanomezana toky ny mpanjifa fa tombontsoa maro no ho azony amin’ny to­lotra omenay ». Tena kendrena ny tanora sokajin-taona 18- 35 taona, ary izy ireny indray no mizara amin’ny manodidina avy eo. Firenena fito (Kenya, Nizeria, Ouganda, Tanzania, RDC, Zambia ary Malawi) no hisitraka ity hetsika ity.

Njaka A.

Partager sur: