“Raha ny tokony ho izy, ny mpanohitra no maro anisa toy ny tamin’ny fitondrana teo aloha. Manantena amin’ity fa hitambatra ny mpanohitra ao anatin’ny filankevitry ny Tanàna”. Io ny fanazavan’ny mpanolotsaina voafidy tamin’ny anaran’ny Tia tanindrazana eo anivon’ny Kolektifa an’ny Malagasy, Ralambomahay Toavina, teny Analakely, omaly, ny amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra amin’izao. Tokony hiasa ny birao maharitra. Ny filohan’ny filankevitry ny Tanàna sy ny lefiny ary ny mpampakateny roa izany. Tokony hatao alohan’ny faran’ity herinandro ity ny fifidianana. Tokony ho ao anatin’ny herinandro nivoahan’ny valim-pifidianana no hatao ny fifidianana ny birao maharitra sy ny fitsipika anatiny, araka ny lalàna. Raha ety ivelany no mifampisakambina toy ny tamin’ny hetsiky ny kandidà 11 (C 11), lasa mampihomehy, araka ny nambarany. Tsy azon’ny olona intsony ilay mitambatra be.
Raha atao ny kajy, tokony ho azon’ny mpanohitra ny birao maharitry ny filankevitry ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Tombanana hanana mpanolotsaina 30 eo ho eo ry zareo: 20 avy amin’ny Tim, fito Tia tanindrazana, telo Mouvement Gascar. Mety mbola hiampy tsy miankina iray na ny RTM izany, araka ny fironana sy ny fifandresen-dahatra. Ny angatahin-dry zareo mpanohitra dia ny mba hangarahara ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Fantarina ary atao mazava avokoa ny momba ny tsena, ny taxi-moto… Mila manao tetibola hiasana ny kaominina amin’ity taona ity. Mialoha ny hanaovana an’izay, mila atao mangaharaha aloha ny kaonty.
R. Nd.