Nirary soa ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin, noho ny taona vaovao ireo mpianatra mpitsara fahiny, andiany fahasivy, nivoaka tao amin’ny ENMG. Nankasitrahin’izy ireo, tamin’izany, ny andraikitra lehibe sahanin’ny minisitra eo amin’ny fanatsarana ny rafi-pitsarana sy ny fampanjakana ny rariny eto amin’ny firenena.
Mitohy hatrany ny fivoriana fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny COI, hatao any Nosy Be, ny 24 avrily izao. Notanterahina tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) Anosy, afakomaly, izany. Tafiditra amin’ny fandrindrana ny asa eo amin’ny Prezidansa sy ny Primatiora ary ny MAE izany fihaonana izany.
Mitaky mangaraharaha amin’ny fitantanana ny CUA ireo mpanolotsaina avy amin’ny “Kolektifa”. Naneho ny fahavononana ny hanohitra ny tsy mety koa izy ireo, miaraka amin’ny mpanolotsaina Tim. Nanamafy izany Raharinirina Clemence fa tsy ho mpanohitra bontolo ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, izy ireo.
Mbola voafidy ho ben’ny Tanànan’Antsiranana, ny Maire Jean Luc Djavojozara. Nambaran’ny eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Antsiranana, izany. Tsiahivina fa fanindroany izao no hitantanany ny kaominina an-drenivohitra Antsiranana.