Hanamarika ity herinandro ity ny atrikasa lehibe hotanterahina any Mantasoa, mandritra ny roa andro (hanomboka rahampitso). Mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany, araka ny nambaran’ny minisitra mpiahy.
Tonga nitsidika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny toeram-piasany, Ambohidahy, ny masoivohon’i Norvezy vaovao eto Madagasikara, Hajaina Gjermund Saether. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fahavononan’ity firenena ity hanohy ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny ezaka fanatsarana sy fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Nitafa tamin’ny minisitry ny Fampiananarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny filohan’ny Fikambanan’ny orinasa ao Vakinankaratra (Fiova), niaraka amin’ny talem-paritry ny ETFP Vakinankaratra. Manana anjara toerana amin’ny fanohanana ny tanora ao Vakinankaratra ny Fiova ary anisan’ireo tantsoroka ataony ny fanomezana fizaran’asa ho an’ireo tanora.
Nitafa tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny sendikan’ny mpitsirika ara-pedagojia eto Madagasikara, notarihin’ny filohany. Mizara roa ny andraikitr’ireto mpitsirika ireto. Miandraikitra ny fitsirihana ara-pedagojia izay tantanin’ny foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana ara-pedagojia.