Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: Hapetraka ny rafitra hiady amin’ny kolikoly

Efa an-dalana ary miroso amin’ny fametrahana ny rafitra miady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny
minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE).

Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa niarahana tamin’ny eo anivon’ny Bianco, hametrahana rafitra miady amin’ny kolikoly eo anivon’ity minisitera ani­san’ny miantoka ny fiandrianam-pirenena ity. Nampi­an­draiketina izany ny foibe fanadihadiana sy mandalina ny paikady “Centre d’études et d’analyses stratégiques – CEAS” eo anivon’ny minisitera ho amin’ny famolavolana ny fametrahana ny rafitra. Eo koa ny solontena isaky ny fitaleavana. Anisan’ny miara-mandrafitra izany sy ny andinindininy rehetra amin’ny fametrahana ny politika hoentin’ny MAE miatrika ny ady amin’ny kolikoly izy ireo.
Anisan’ny fomba fiasa amin’ izany ny fanombohana amin’ny famantarana ny antsoina hoe kolikoly. Manampy izany ny endrika mety hisehoan’ny kolikoly sy ny fandrafetana politika manokana ho an’ny minisitera hiadiana amin’izany. Nifampizarana sy niadiana hevitra hatrany ny fametrahana drafitrasa hotanterahina ao anatin’izany ady izany, niaraha-nidinika tamin’ireo solontena avy ao amin’ny Bianco.

Tsy hita nanjavonana
Hivoaka tsy ho ela ny politika momba izany ka hotanterahina ao anatin’ny telo taona, eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Tsiahivina fa anisan’ny raharaha iray mbola manjavozavo ny fanjavonan’ilay mpiasam-panjakana, lehiben’ny sampandraharaha, iray avy ao amin’ity minisitera ity, mbola tsy hita popoka hatramin’izao. Nisoloky ho nanana fahefana amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy sady nanao hosoka ary voasaringotra ta­min’ilay volamena 53kg mahery, sarona teny Ivato, ny faran’ny taona teo, ny tenany.

Synèse R.

Partager sur: