Nanafika mpandraharaha : Jiolahy efatra maty voatifitra

Lavon’ny polisy ny efatra tamin’ireo jiolahy nanafika mpandraharaha nitondra vola tao Tanambao Verrerie Toamasina, omaly.

Teo am-panafihana mpa­n­draharaha nandeha Bajaj, niaraka tamin’ny volabe, ny jiolahy enina nitondra basy tao Tanambao Toa­masina, omaly. Efa narahin’izy ireo ny lalana nalehan’ity mpandraharaha ity. Nove­le­sin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy ny maritoa izy mba hahafahan-dry zalahy maka ny vola teny aminy. Teo amin’ ny manodidina ny toerana ni­trangan’ny fanafihana anefa ny polisy ka afaka namonjy azy ara-potoana. Raikitra ny fifanjevoana ka maty voatifitra ny jiolahy iray tamin’ny 12 ora sy 50 mn. Tsy nifarana teo anefa ny fifanenjehana satria nifampitifitra tamin’ireo jiolahy dimy hafa ny polisy. Nifama­liana ny tifitra, tonga hatrany Antsarakofafa ny fifandonana. Vokany, rotiky ny bala indray ny jiolahy roa raha maty teo amin’ny lalana tapaka mampisaraka an’ Antsa­rakofafa sy Tanambao Verrerie ny jiolahy iray fahefatra. Mbola nifampitady tamin’ireo jiolahy roa tafaporitsaka ny polisin’ny UIR, hatramin’ny omaly hariva.

Tsy hitsitsy ny polisy…
Basy poleta iray vita gasy niaraka tamin’ny poleta vita vahiny ary maritoa no fitaovana azo teny am-pelatanan’ireo jiolahy maty voatifitra. Fan­tatra fa mbola misy basy hafa any amin’ireo roa lahy nifanenjehan’ny polisy. Mano­loana ity fanafihan-jiolahy nitranga tao Toamasina, ity. Nampitandrina ireo jiolahy hatrany ny polisy. « Tsy azo ekena izany jiolahy hampihorohoro vahoaka izany fa anjaranay polisy no mampihorohoro jiolahy. Mba hahafahan’ny vahoaka miatrika ny fivelomany isan’andro », hoy ny lehiben’ny kaomisaria foibe ao Toamasina, ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky. Nohamafisiny hatrany fa tsy hitsitsy amin’ireo jiolahy ny polisy.

Sajo/J.C

Partager sur: