Sehatra anisan’ny ahitana fialamboly goavana indrindra ny hetsika « Salon du loisir ». Tsy nijanona tamin’ny endriny teo aloha ny andiany faharoa fa nohatsaraina sy nohamaroina ny kilalao ao anatiny.
«Hatsaraina ny teo aloha… Hitondra zava-baovao ho an’ny rehetra ity andiany faharoa ity», hoy Rafehivola Finaritra, anisan’ny mpikarakara ilay hetsika lehibe momba ny fialamboly «Salon du loisir». Fantatra fa hotanterahina ny 8 febroary sy ny 9 febroary ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ito andiany faharoa ito. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ka mifarana amin’ny 6 ora hariva. Anisan’ny hisongadina amin’ny fanatsarana ny fisian’ny kilalao marobe eny an-toerana. Hahatratra 70 mahery izy ireo. Hahazo ny sahaza azy ny tsirairay. Miainga any amin’ny zazakely, ankizy, tanora, olon-dehibe ka hatrany amin’
ireo zokiolona. Toraka izany koa ny lahy sy ny vavy.
Ho hita eny an-toerana ny «salle maison hantée», «facepainting», «jeux vidéo», «gonflables», «jeux de société», «jeux d’équipe», «ateliers bracelets», «crochets», «peinture». Hanampy ireo ny kilalao malagasy, «pétanque», «espace parents», «voitures télécommandées professionnelles », dihy, «jeux d’arcade», «loto», «bricolage DIY». Ny «garderie» ho an’ny zazakely izay hanana ny kilalao sahaza azy ihany koa, sns. Ao anaty trano no hanatanterahina azy ireo.
Fampivondronana ireo mpikirakira fialamboly
Anisan’ny antony hanatanterahina ny «Salon du loisir» ny hampivondronana ireo mpikirakira hetsika fialamboly, raha ny fanazavan-dRafehivola Finaritra hatrany. Nohamafisiny fa : «toerana iray no alehan’ireo mpiala voly, kanefa kilalao marobe no afaka lalaoviny sy hialany voly». Nohamafisiny rahateo fa : «…Tsy natao tao anatin’ny fotoam-pialantsasatry ny mpianatra ity hetsika ity, satria, mety misy mivoaka any amin’ ny faritra». Ankoatra ny maha fialamboly azy, hisy hatrany ny loka hozaraina ho an’ireo mahavita hatramin’ny farany (na maharesy…), amin’ireny karazana kilalao tsirairay ireny.
HaRy Razafindrakoto