Tenindreny: Hisy fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny angano

“Andao hanoratra angano amin’ny tenim-pirenena”. Io ny lohahevitra sady anaran’ilay fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny fanoratana angano, izay karakarain’ny Organisa­tion international de la Franco­phonie, amin’ny alalan’ny tetikasa “Elan”. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, isaky ny 21 febroary, ny fifaninanana. Misokatra ho an’ireo mpianatra kilasy CE2, CM1ary CM2 izany, avy amin’ireo sekoly sady mampianatra amin’ny tenim-pirenena ao aminy no mampianatra amin’ny teny frantsay ihany koa. Avy amina firenena 12 aty Afrika ireo mpianatra afaka mifaninana ka mahafeno ny fepetra, ani­san’izany i Mada­ga­si­kara.
Angano noforonin’ireo ankizy mpianatra no takina hifaninana. Andalana 25 hatramin’ny 30 eo, izay soratana amin’ny tenim-pirenena ka hasaina hadika amin’ny teny frantsay koa. Hatao video tsy mihoatra ny 2 minitra izany, ka ilay mpianatra mpifaninana ihany no mamaky azy. Ny “fiarovana ny tontolo iainana” ny lohahevitra iraisan’ny mpifaninana rehetra, miainga avy amin’izay ny anganon’ireo ankizy. Mazava loatra fa mila manaraka sy manampy ny ankizy amin’ny sanganasany ny mpampianatry ny sekoly niaviany. Manana hatramin’ny 6 febroary ireo izay liana handefasana ny antotan-taratasy hifaninanana, ka ny tomponandraikitry ny sekoly no manao azy ao amin’ny tranokalan’ny OIF. Marihina fa ha­ha­zo fampitaovana niomerika mitentina 500 euros hatramin’ ny 2 000 euros ireo efatra voalohany, izay ho fantatra ny andron’ny 21 febroary.

Zo ny Aina

Partager sur: