Tsy ampy ny famokarana herinaratra any Andekaleka. Maharitra ora telo ny delestazy isaky ny fahatapahan’ny jiro avy amin’ny orinasa Jirama, nanomboka omaly.
Tsy naharitra ela! Andro vitsy monja no nirotsaka ny orana teto Antananarivo sy ny manodidina, nahafahana nampandeha amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra tao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mihantona indray anefa izany, ankehitriny. Araka ny fampahalalam-baovaon’ny Jirama, miha mihena ny haavon’ny tohodrano mpamokatra herinaratra, indrindra ny any Andekaleka, mamatsy ny tambajotra RIA, eto Antananarivo, hatrany Antsirabe, Soavinandriana Itasy, sy ny hafa. Tsy ampy indray ny vokatra tsinjaraina amin’ny mpanjifa, ka voatery tsy maintsy hatao ny fanapahana herinaratra mifandimby, mandritra ny ora telo isaky ny fanapahana, nanomboka omaly 21 janoary 2025.
Raha ny olana nahatonga ny delestazy hatramin’izay, voatery mampiasa ny milina mandeha amin’ny solika eto Antananarivo ny Jirama, rehefa tsy ampy ny vokatra avy amin’ny tohodrano, toy ny ao Andekaleka, Mandraka, Antelomita. Tsy maharaka anefa ny toe-bolany hividianana solika, ary vao mainka mivangongo ny trosa.
Fatiantoky ny fanjakana
Etsy ankilany, anisan’ny fepetra napetraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny hampihenana na tsy hanomezan’ny fanjakana fanampiana ara-bola intsony ny Jirama, raha tiana ho azo ny famatsiam-bola FEC sy ny FRD. Eo koa ny fampifanarahana ny vidin-tsolika (miakatra na midina) amin’ny tena vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Efa miroso amin’izany ny fitondram-panjakana, nampidina ny vidin-tsolika nanomboka ny sabotsy 18 janoary teo. Mifandray tendro ireo tranga roa ireo, ny fanentsenan’ny fanjakana ny elanelam-bidin’ny vidin-tsolika sy ny fanampiana ara-bola ny Jirama, izay samy mitondra fatiantoka ho an’ny fanjakana.
Njaka Andriantefiarinesy