Andrianainarivelo Hajo: “Tsy voahaja ny tany tan-dalàna”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, An­dria­nainarivelo Hajo. Nam­barany, tamin’izany, fa rava tanteraka ny fototry ny fitsinjaram-pahefana mitondra mankany amin’ny fampandrosoana maharitra, taorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. “Tena tsy voahaja ny tany tan-dalàna sy ny safidim-bahoaka anisan’ny nimatimatesan’ny MMM tamin’ny toerana maro”, hoy izy.
Na izany aza, niarahaba ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna lany tamin’ny anaran’ny antoko Malagasy Miara-Miainga sy ireo mpiara-dia rehetra manerana ny Nosy. Nanteriny fa nijoro sy sahy izy ireny. “Man­kahery koa anefa ireo namana tsy nahomby. Mitohy ny tolona ho an’ny tanin-janaka sy ho an’ny fanovana”, hoy izy.
Tsiahivina, nandray ireo mpiray tanindrazana aminy avy any Ankadinandriana ny filoha nasionalin’ny MMM, tamin’ity herinandro ity, noho ny taona vaovao. Nambarany fa tsy niova mihitsy ny fifankatiavana eny amin’iny tanàna iny tao anatin’ny 30 taona. Nanomboka tamin’ny vao voafidy ho ben’ny Tanànan’Anka­dinandriana ka hatramin’izao izany. “Tonga eto hatrany ireo mpiray tanindrazana ireo miarahaba anay mivady isaky ny taom-baovao. Tsy nisy taona iray voadingana tao anatin’izany”, hoy izy. Nanteriny fa mariky ny fitiavana izany ary tsy ho voavaly mandrakizay.

Synèse R.

Partager sur: