Fanamby ho an’ny taona 2025 : Nomena baiko hametraka filaminana ireo prefet

Notanterahina teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, afakomaly, ny dinikasa eo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo lehiben’ny fileovana “Prefet” manerana ny faritra notarihin’ny minisitry ny Atitany. Mazava ny toromarika tamin’izany.

Anisan’ny nifanakalozana hevitra ny momba ny fanamby eo amin’ny asa mandritra ity taona 2025 ity. Anisan’izany ny hanatsarana hatrany sy hametrahana ny filaminana sy fandriampaha­lemana manerana ny Nosy. Nanaovana tombana jery to­dika tamin’izany ny momba ny asa sy ny vokatra azo tamin’ iny taona 2024 lasa teo iny.
Voaresaka tamin’izao atrikasa izao koa ny fandrindrana bebe kokoa ny asam-panja­kana sy ny fanatsarana izany mba hisian’ny tontolom-pampandrosoana miabo. “Hana­mora ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanja­kana (PGE)”, hoy ny lehiben’ ny governemanta. Manampy izany ny fametrahana ny fahamarinan-toerana isam-paritra, ka mba tena ho taonan’ny asa sy ny filaminana, araka ny fa­namby napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny taona 2025.

Kolontsain’ny herisetra sy ny fanakorontanana

Nohenoina tamin’izany ireo tatitra nataon’ireto lehiben’ ny Fileovana ireto, ka nanomezan’ny praiminisitra toromarika maro samihafa hampanjariana hatrany ny asam-panjakana any amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
Tsiahivina fa ny herinandro teo koa no efa nanambaran’ny lehiben’ny governemanta fa tsy azo ekena ny kolontsain’ny herisetra sy ny fanakorontanana raha nanafatrafatra ireo teo anivon’ny zandary ny tenany, tamin’ny famaranana ny atrikasa nataon’izy ireo teto An­tananarivo. Mbola izao nohamafisiny izao indray izany ny amin’ny tokony hametrahana filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Synèse R.

Partager sur: