Tsy an-kiandriandry. Nofanina avy hatrany ireo ben’ny Tanàna vao voafidy ho an’ny faritanin’Antsiranana sy i Mahajanga. Notanterahina, omaly sy afakomaly, izany ka miisa 24 ireo avy any amin’ny faritra Sava sy i Diana raha miisa 101 kosa ireo ben’ny Tanàna avy any Boeny sy Betsiboka miaraka amin’i Melaky sy ny avy any Sofia. “Tafiditra amin’ny fanomezan-danja sy hanatsarana ny fomba fivoarana eny ifotony izao fampiofanana izao”, hoy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nahafaly ireto olom-boafidy ireto izao fampiofanana izao ary nangataka ny hitohizan’izany izy ireo. “Tena ilaina ny tahaka izao mba hahafahanay manatanteraka tsara ny andraikitray eo anivon’ny kaominina iasanay tsirairay avy”, hoy izy ireo. Anisan’ny niompanan’ny fiofanana ny momba ny famindram-pahefana, ny fampahafantarana ny asan’ny ben’ny Tanàna sy ireo mpanolotsaina. Mbola hitohy any amin’ireo faritra hafa manerana ny Nosy, aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy, ny fampiofanana tanterahin’ny MFFT. Anisan’izany ny any amin’ny faritanin’i Toliary sy i Toamasina ary koa ny any Fianarantsoa.
Tsiahivina fa samy tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy avokoa ireo tomponandraikitra avy amin’ny Andrimpanjakana sy manam-pahefana avy amin’ireo faritra amin’ny faritany roa ireo.
Synèse R.