Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ny minisitera izay natao tany Gambie, ny 21 janoary lasa teo, i Madagasikara. Noresahina tamin’izany ny fanatsarana ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Afrika.
Notontosaina afakomaly, tany Banjul Gambia, ny fihaonamben’ny minisitera eto Afrika, izay niarahana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena Unesco, Usada, Wada, UA. Lohahevitra noresahina tamin’izany fivoriana lehibe izany fa «hamafisina ny fitantanana ny fanatanjahantena aty Afrika, hampiroboroboana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fiaraha-miasa sy fifanantonana mba ho an’ny soatoavina sy ny etika ary ny fahamendrehan’ ny fanatanjahantena». Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ ity hetsika ity, tany an-toerana, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), i Moustapha Marson Abdulah. Anisan’ireo singa iray laharam-pahamehana amin’ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, ny resaka fanatanjahantena. Araka izany, nataon’ny MJS ho lohalaharana amin’ireo tanjona hoezahina tratrarina ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-pahasalamana, araka ny tondrozotra efa napetraka tamin’izy ireo.
Fanamafisana ny rafitra ara-panjakana…
Tsiahivina fa manana fanamby lehibe ny sehatra afrikanina. Ny fikambanana ara-panatanjahantena eto Afrika nefa misendra olana mahakasika ny resaka fitantanana mangarahara, ny fanatsarana ny loharanom-bola, ny fandrindrana tsara manaraka fitsipika. Mba hisorohana izany, nanazava ny minisitra tao anatin’ny tatitra nataony, fa misy sehatra telo tokony handraisana andraikitra.
Anisan’izany ny fampandrosoana ny fahaiza-manaon’ ny mpitantana fanatanjahantena sy ny fanamafisana ny rafitry ny andrimpanjakana sy ny ara-dalàna ho an’ny fitantanana fakan-tahaka ary ny fametrahana rafitra fanaraha-maso mahomby sy ny sazy. Ankoatra izay, namaranana ity fihaonambe ity ny fanolorantenan’ireo firenena afrikanina ho amin’ny fanovana lalina mikendry ny fanamafisana ny fahamendrehan’ny fanatanjahantena. Tsara marihina fa ity hetsika ity dia manamarika dingana iray mankany amin’ny rafitra ara-panatanjahantena mitombina kokoa, ary mametraka ny etika, tafiditra ao anatin’ny sehatra kaontinantaly.
F.R