Fihaonana teny Mahazoarivo: Hohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny ONU

Nitsidika tamim-pomba fanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo, afakomaly, ny mpisolo toerana vonjimaika, solontena maharitry ny Firenena mikambana (ONU), i Dieng Abdou. Nifantoka tamin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy ity rafitra faratampony maneran-tany ity ny dinika. Voaresaka ireo ho laharam-pahamehana sy fifandrimbonana ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Hatevenina ny fiaraha-miasa, indrindra rehefa tonga ny solontena maharitra tompon-toerana, handray ny asany atsy ho atsy.
Ankoatra izany, noraisin’ny lehiben’ny governemanta, omaly, kosa ny masoivohon’ny Repoblikan’i Korea Atsimo, Park Ji-Hyun.
Nanamarika ny hanatsarana ny fifandraisana. Anisan’izany ny fambolem-bary, ny fananganana indostria vaventy ho an’ny fanodinana harena an-kibon’ny tany, ary ny fifandraisana ara-barotra. Nandray ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Chabane Khazamula Lawrence, koa ny praiminisitra. Voaresaka ny hampivelarana ny fifandraisana ara-toekarena ho an’ny tombontsoa iombonan’ny firenena sy ny vahoaka roa tonta.

Synèse R.

Partager sur: