Miaina anatin’ny karazan-tsedra maro ny Malagasy, ankehitriny. Tsy asiana resabe intsony ny lafiny sosialy
sy ny toekarena. Iaraha-mahita fa latsaka an-katerena hatrany anaty vilany. Ny hohaninana anio, tadiavina rahampitso, hoy ny sangisangy zaritenan’ireo bokan-trosa. Tena sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’ny olona.
Tsy izany anefa no atao fitaovana hoenti-manakorontana ny firenena. Tsy mendrika kirizy goavana intsony ny Malagasy. Firaisankina ho fanoitra hoenti-mitady vahaolana no tokony hilofosana. Tsy ilaina ny fampisaraham-bazana noho ny fitadiavana tombontsoa manokana. Antony, tomponandraikitra amin’izay miseho ny Malagasy 27 tapitrisa.
Na inona tsy fahombiazan’ny mpitondra, na inona famotehana nataon’ny mpanao politika, rehefa ny fisainana faobe no tsy te hisahirana dia izao no vokany. Izay nafafy no jinjaina, hoy ny fiteny nahazatra. Fehiny, isika mianakavy no mila misikim-ponitra, mifanome Tanana, mba hivoahana amin’ny olam-piarahamonina lalovana. Tsy hitavandra ny hafa.
Mila miala amin’ilay fahazarana toloram-potsiny sy miandry mahazo ny vahoaka. Tsy misy fahagagana intsony, na dia mitotototo etsy sy eroa aza mitady vahaolana. Ny fandraisana andraikitra sy fandraisana an-tanana ny fiainana no hany lalan-tokana hivoahana ny tonelina. Zava-dehibe ny finiavana manokana avy amin’ny tsirairay. Ao an-tokantrano no vahaolana voalohany.
Tsy ampy ny vavaka raha tsy arahina asa. Tsy ampy ny kitolotolotry ny fanjakana raha tsy misy finiavana hihoatra amin’ny fiainana. Tsy ampy ny fitadiavana hery hafa ambonin’ny maha olombelona raha tsy resy lahatra ny hiova. Ny hery velona rehetra miara-manova sy miara-miketrika ny lalan-kivoahana no mahazaka vahaolana haingana sy mahomby, ary maharitra. Nofinofy fotsiny ny ankoatra izany!
r.r