Noho ny tsiokan’ny talio, tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny atin-tany sy ny faritra afovoany andrefan’ny Nosy. Nahazo filazana fampitandremana fahabetsahan’ny rotsakorana miloko mavo, manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy, ny faritra Menabe, ny distrika Morombe, Beroroha ary Ankazoabo. Fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Betsiboka, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ny ilany Andrefan’i Sofia ary ny distrika Ambatofinandrahana.
Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (CanCham). Noresahin’ ny avy ao amin’ny CanCham tamin’ny minisitra ny fanolorana ny tetiandro stratejika ho an’ny taona 2025. Hisy fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy ireo andrimpanjakana kanadianina noho ny fahabetsahan’ireo tanora miasa sy mianatra ao Canada.
Nisy ny fihaonana notanterahina tao amin’ny Digital center Antaninarenina, niresahana sy nandinihina ireo fanatsarana ilaina ho fanovana ny Ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra CNTEMAD ho oniversite niomerika. Anisan’ny lahadinika koa ny famolavolana tetiandro ho fanatanterahana izany ary ny fampivondronana ny lafiny teknika samihafa entina manatanteraka ny tetikasa.
Nodinihina ny herinandro lasa teo ny ezaka vita amin’ny fanatanterahana ny fepetra ara-pahasalamana iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara. 85 ireo mpandray anjara avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS ary ny mpiray ombon’antoka. Nodinihina manokana ny fisorohana sy ny hetsika atao rehefa miseho ny hamehana amin’ny fahasalamam-bahoaka. Tokony hiara-hiasa ny tomponandraikitry ny fahasalaman’ny olona sy ny biby ary ireo misahana ny tontolo iainana.