Lehilahy roa lasan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ankazomandry, kaominina Mahatsinjo, distrika Maevatanàna, ny alin’ny alatsinainy 20 janoary teo, tamin’ny 8 ora. Efa-dahy niampy vehivavy sy ankizy tsy ampy taona niara-tonga tao amin’io tanàna io. Nangataka izy ireo hanaovana sakafo. Nandroso ho alina, nentin’izy ireo natao takalonaina ny lehilahy 40 taona sy iray hafa, 56 taona. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy. Nentin’izy ireo niatsinanana ireo olona roa nalainy an-keriny. Taraiky vao naharay fampahafantarana ny zandarimaria miasa ao an-toerana noho io fokontany io voalaza fa sarotra ahazoana fifandraisana an-telefaonina. Niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany izy ireo. Nahetsika avokoa ireo zandary eo anivon’ny tobim-paritra Andriba, niampy ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahatsinjo. Hatramin’ny omaly, mbola mikaroka ireo olona lasa takalonaina izy ireo. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Tsiferana R.