minisiteran’ny Mponina: Nanampy ny olona manana fahasembanana

Nanao fivoriambe ireo olona manana fahasembanana sy fampiatiana tao amin’ny distrika Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Ho fankalazana ny tsingerin-taona niforonan’ny vovonan’ny olona manana fahasembanana sy ho fanohizana ireo ezaka fampiatiana azy ireo no tanjon’ny fihaonana. Ho fampiroboroboana ny maha olona, nanome tehina fotsy, seza misy kodiarana, fanamafisam-peo amin’ny sofina ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina nandritra ny hetsika. Naha­tratra 500 ireo olona manana fahasembanana mpikambana nisitraka nofon-kena mitam-pihavanana. Nampitaovana koa ny tetikasa Zavamanitra.
Ankoatra ny fizarana fitaovana sy sakafo, nanao fizahana fahasalamana maimaimpoana ny mpiasan’ny fahasalamana. Fotoana nanatanterahina varotra fampirantiana. Nampisehoana koa ireo vo­ka­try ny asa tanana, fampidiram-bola ataon’ireo olona ma­nana fahasembanana, nan­dritra izany.
Mbola narahina seho se­hatra maro ny fivoriana. Nisy koa ny fiofanana manamboatra savony izay ilaina amin’ny fiainana andavanandro, azo havadika ho loharanom-bola, izany.
Nofaranana tamin’ny dinidinika namaritana ireo endrika fiaraha-miasa hanatsarana ny fidiram-bolan’ireo olona ma­na­na fahasembanana ny fotoana teo amin’ny mpivory.
Nanotrona teo ny solontenan’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina sy ny solontenam-panjakana samihafa ao amin’ny faritra Amoron’i Ma­nia.

Vonjy

Partager sur: