Nosokajian’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana ho anisan’ny antony mitarika ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika maneran-tany ny tsimokaretina « métapneumovirus humain » (HMPV).
Mirongatra be ity tsimokaretina ity any avaratr’i Sina ary feno marary ny hopitaly ka nampitaintaina ny vahoaka any an-toerana. Na nitombo aza ny isan’ny olona marary tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana any an-toerana, mifandray tsy tapaka amin’ny OMS ny tomponandraikitry ny fahasalamana sinoa ka tsy misy ny fanahiana valanaretina hatramin’izao.
“Tsy tsimokaretina vaovao ny HMPV fa efa voatilin’ny mpikaroka neerlandey ny taona 2001. Aretina mpiseho amin’ny fotoana voafaritra efa mahazatra izy ity, ary tsy atahorana ny hampirongatra azy ho valanaretina”, hoy ny mpitsabo, ny Dr Andrew Catchpole, “virologue”.
Fisehoan’ny aretina matetika ny olana amin’ny fisefoana. Mety hiitatra amin’ny kohoka mahery vaika izany ka mety hiafara amin’ny pneumonia. Indraindray koa, ahitana fanaviana be ny marary ary mahatsapa fa manakotsako ny vatana miaraka amin’ny fandoavana.
Hitan’ny fanadihadiana natao fa tsimokaretina mpahazo ny taovam-pisefoana miseho amin’ny ririnina sy ny lohataona amin’ny firenena maromaro ny HMPV ary mety hiseho amin’ny sokajin-taona rehetra. Mitovy amin’ny fisehoan’ny gripa izy ary mety sitranina tsara. Mety ho sarotsarotra ny aretina ho an’ny ankizy madinika sy ny zokiolona satria marefo kokoa ny hery fiarovan’izy ireo.
Miova manaraka ny toetr’andro ny HMPV fa tsy ahina hiteraka valanaretina toy ny Covid-19 izay tsimokaretina vaovao mihitsy ho an’ny vatan’olombelona. Tsy mbola misy ny vaksiny hiarovana aminy hatramin’izao. Fisorohana mahomby ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana, toy ny tamin’ny fiatrehana ny coronavirus. Mifindra amin’ny alalan’ny kohoka sy ny fihevonana ny tsimokaretina ka ilaina ny mampiasa arovava sy orona, ny manasa tanana matetika amin’ny savony sy ny rano. Tokony tsy hifanerasera amin’ny olona maro ireo voany aloha mandra-pahasitrany tanteraka.
Vonjy