Vita ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Hanao ahoana amin’izay ny fampandrosoana ifotony hoe tsy misy kaominina hadino? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny raharaham-pirenena taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna?
I Namearison Robert (-) : Amin’ny ankapobeny, manana ny maro anisa ny Irmar. Ho feno Irmar izany ny eny amin’ny Antenimierandoholona sy ny eny amin’ny Faritra raha atao ny fifidianam-paritra. Feno ny fepetra ho an’ny mpitondra fa any aminy ny fahefana. Natao mafy be tamin’ny fampielezan-kevitra ny hoe: raha te handroso ny kaominina dia miaraka amin’ny fanjakana. Izay no arahi-maso amin’izao: ireo ben’ny Tanàna ireo voafidy ve tena afa-kanetsika ny olona handray an-tanana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ny faritra misy azy sa hiandrandra fanampiana avy amin’ny governemanta fotsiny? Hojerena izay… Tsy misy fanampiana tokony handrandraina eo, fa samia isika mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy antsika.
* Ahoana ny amin’ireo fifidianana ben’ny Tanàna haverina?
– Tena fahefan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny mamerina fifidianana amin’ny lafiny teknika: raha misy tsy fahatomombanana ka nahatonga ny safidim-bahoaka diso lalana na hosoka izay mety hanodina, ohatra. Nefa ny nitranga teo aloha, naverina ny fifidianana: vita ihany ny fe-potom-piasan’ny ben’ny Tanàna, nefa tsy nisy fifidianana. Izay no anaovana fanairana: rehefa namoaka ny didiny ny fitsarana dia tokony hotanterahina hatramin’ny farany. Rehefa tsy mametra ny fotoana hamerenana ny fifidianana ny didim-pitsarana, ny governemanta no mahita izay hanatanterahana azy.
* Inona ny tsara ho fantatry ny olom-pirenena amin’izao fahavitan’ny fifidianana izao?
– Anjaran’ny olom-pirenena ny manohana ny olona nofidiny amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy azy… Manaraka, ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) isika izao. Nanombola tamin’ny 1 desambra ary hifarana amin’ny 15 febroary io. Nefa misy olona na entanina aza miteny hoe misokatra ihany amin’ny alalan’ny ordonansa ny lisi-pifidianana rehefa misy fifidianana. Izay no olana amin’ny fanapahan-kevitra momba ny ordonansa.
Nangonin’i R. Nd.