Nifarana ny asan’ny komity siantifika : Hampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera

Tetikasa lehibe eo amin’ny lafiny kolontsaina sy vakoka ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Efa maro ny dingana nolalovana, ka mahavelombolo ny asa vita, hatreto. Nanolotra ny tatitra farany ho an’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Vola­mi­ranty Donna, omaly, tetsy amin’ ny birao fiasany, Nanisana, ny komity siantifika. “Araka ny voafaritra dia dingana iray ny fanolorana ny tatitra mamehy ny asa ho an’ny minisitra. Ma­namarika izay fa nifarana ny asan’ny komity iraisan’ny Malagasy sy ny frantsay. Ha­nolotra ny dika mitovy amin’ny minisitra misahana ny kolon­tsaina any aminy koa ireo solontena frantsay tanatin’ny komity”, hoy ny nambaran-dRakotondrasoava Fetra, nandrafitra ny komity siantifika sady sekretera jeneralin’ny minisitera rahateo.
“Niasa andro aman’alina, eny na andro tsy fiasana aza, ireo nandrafitra ny komity sian­tifika ireo. Tena isaorantsika azy ireo izany, satria miroso be ity fampanantenan’ny filoham-pirenena iray ity. Tsy i Madagasikara irery no mangataka fampodiana ireo ha­rembakoka miparitaka maneran-tany toy izao, saingy isika no lasitra sy maodely. Ho voasoratra anatin’ny tantaran’i Madagasikara izany, rehefa tontosa soamantsara”, hoy kosa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Anjaran’ny minisitra fran­tsay misahana ny kolontsaina, Rachida Dati, ny mampiditra indray ny tatitra ao amin’ny Filankevi-panjakana frantsay, izay tompon’ny teny farany, mialoha ny tena fampodiana ireto harembakoka ireto. Tsia­hivina hatrany fa kabeson’ny Ampanjaka sakalava Toera, sy an’ireo miaramilany roa lahy, izay niranty nandritra ny taona maro tao amin’ny “Musée de l’Homme ao Paris” ireto hangatahin’i Madagasikara hampodiana ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: