Naneho ny heviny, taorian’ ireny sakana natao azy tsy afaka naneho hevitra, ny faran’ ny herinandro teo, ny depiote Ratsiraka Roland, omaly, tao Toamasina. Hentitra ny nambarany. “Tsy hanaiky hatramin’ ny farany izahay ary hiady amin’ny hametrahana ny mangarahara sy madio eto amin’ ny firenena”, hoy izy, taorian’ ny nivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna, tany Toamasina, omaly. Nambarany fa resabe fotsiny ny fisian’ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra eto amin’ny firenena. Tsy afaka miteny sy mivezivezy ny tenany raha ny tranga nahazo azy ny sabotsy teo, araka ny nambarany. “Tena fandikana Lalàmpanorenana izany. Arahin’ny mpitandro filaminana etsy sy eroa ny tenanay na tsy avela mivoaka ny trano. Tena tsy rariny izany”, hoy izy. Nohitsiny fa nanjakan’ny hala-bato sy ny hosoka ny fifidianana ben’ny Tanàna tao Toamasina ary tena tratra am-bodiomby izany. Notebahiny ho tsy afa-bela amin’izany ireo sefo fokontany sasany sy ny tomponandraiki-panjakana any an-toerana. “Tsy mipetraka eto amintsika ny soatoavina repoblikanina sy ny soatoavina maha kristianina”, hoy ihany ity kandidà ben’ny Tanàna ity. Nahitsy ny solombavambahoaka Ratsiraka Roland ny amin’ny tokony hampitsaharana ny fampihorohoroana tahaka izany fa tsy misy dikany sy tombony ho an’ny firenena.
Synèse R.