VAOVAO TAMBATRA

Vonona hanohana antsika amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo. Eo koa ny indostria vaventy toy ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fifanakalozana ara-barotra. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny masoivoho Park Ji-Hyun sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo.
Vita ny fanarenana ny lalana tena ratsy any Mahatsinjo, RN44 avaratra, mampitohy an’Ambatondra­zaka sy Vohitraivo. Mirefy 800 metatra ny asa nataon’ny orinasa Fanasina. Nosoloin’ny orinasa Mahavanontsoa « béton » ihany koa ny tetezan-kazo eo amin’ny fidirana an’Ambatosoratra.
Miisa 10 000 ny zana-kazo voavoly tany Main­tirano, omaly. Zana-kazo nahitana Acacia, Gmelina, Anakaraka, Arofy, Kily, Kininina, … Nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Melaky no nanatanterahina ireo. Nandray anjara daholo ny avy amin’ny sampandraharaham-panjakana sy ny tsy miankina any an-toerana.
Harenina ny fotodrafitrasan’ny famatsian-drano any amin’ny lemaka PC 15 sy ny Vallée Ma­rianne any Ambatondrazaka. Ho vita tanteraka amin’ny faran’ny volana janoary ny asa. Tena ritra ny rano, ankehitriny, any amin’ny tohodrano Bevava PC 15. Anisan’ny vahaolana naroson’ny fanjakana ny hanaovana tanin­ketsa iombonana.

Partager sur: