Ambohitrimanjaka: Rongony 1 taonina nodorana

Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, nodoran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny rongony nilanja 1 taonina natao teny Ambohitrimanjaka, omaly. Azon’ny mpitandro filaminana noho ny fisavana tampoka sy ny loharanom-baovao tany amin’ny lalan’Antsirabe ireo zava-mahadomelina ireo ny 8 sy ny 10 janoary teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy fiara niala Toliara, nikasa hihazo an’Antananarivo. Nanao fitsirihana teny amin’ny lalam-pirenena tao Amoron’i Mania ny polisy. Tsy tratra ny fiara fa efa tonga any Antsirabe. Marika Renault lehibe io nitondra ny rongony io. Ny zoma 10 janoary, voasakan’ny polisy teo Ambohitrimanjaka ny fiara. Olona enina voasambotra tamin’io raharaha io. Nogiazana avokoa ny entana teny aminy. Voamarina raha teo fa rongony mahery vaika nokasaina haparitaka teto an-dRenivohitra io tratra io. Natao ny famotorana. Tsy nisy afa-bela ireo enina voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Tompon’antoka tamin’ny fitanterana izany ny sasany raha toa ka tompon’ny entana ireo namany. Nalefa eny Antanimora taorian’ny fitsarana azy izy ireo. Efa mpanao trafikan-drongony ireto voasambotra ireto, araka ny loharanom-baovaon’ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: