Inona no zava-miseho? Mahagaga fa dia mangina tanteraka ny tanàna. Tsy andrenesam-peo ny politika. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana dia tsy hita be ihany. Izay mba hangatahana fihaonana dia misafidy ny manakombom-bava. Izy angatahina hiresaka an-gazety indray no tezitra. Inona marina no zava-miseho.
Ny azo ambara aloha, hita ho mifampatahotra ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpanohitra tsy sahy mitarika vahoaka, matahotra higadra sy tsy hahazo mpanara-dia. Ny mpitondra mahana tsy enjehina ka manenjana ny tady, mandrangaranga fonja sy fisamborana. Iza izany no andrasana hiteny sy hanazava izay tena zava-misy eto amin’ny firenena?
Niaraha-nahita ireny ny fanambarana nataon’ireo milaza azy ho raiamandreny eto amin’ny tanàna. Nilaza ny fahavononany izy ireo hitarika sy hamoha ilay vahoaka. Tsy hita be ihany anefa ny akony. Tsy nipaka tany amin’izay nokinendry ny hafatra. Tsy nisy nanohina ny antso fa toriteny an’efitra. Ny tanora anefa tsy misy manan-kevitra ny hihetsika akory hatreto.
Mahavalalanina ny zava-misy, mangingina hafahafa izany ny tanàna. Mampanahy ny zavatra mihodinkodina any ambadika rehetra any. Iza marina no manao inona sy tiana ahatongavana? Mahasanganehana ny zava-miseho eto amin’ny tany sy ny fanjakana, indrindra raha ho an’ireo manana fijery miiba sy maniry ratsy ho an’ny tanindrazana sy ny mponina.
Azo atao ho fakana lesona kosa izany ho an’ny manampahefana. Fotoana natao hisainana sy handinihan-tena. Hanaovana tombana ny lesoka sy hitadiavana ny vahaolana mifandraika amin’izay. Izao no fotoana tena mety, hisafidianana ny lalana mety hizorana mba hisorohana izay mety ho kirizy aoriana kely. Fandrika be io fahanginana io.
r.r