Hapetraka anio amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Hitarika sy hanotrona izany raha tsy misy ny fiovana ny filoha, Rajoelina Andry. Hotanterahina manoloana ny Lapan’ny Tanàna izany. Hisy, araka izany, ny fahatapahan-dalana manodidina an’Analakely izao maraina izao.
Tonga marobe ireo vahoaka tamin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tananan’Ivato, Randrianarisoa Penjy. Miditra amin’ny fe-potoam-piasana fahatelo ny tenany amin’izao hitantana mandritra ny dimy taona ny eny amin’ny kaominina Ivato izao. Tsiahivina fa natolotry ny tsy miankina ny tenany tamin’ny fifidianana.
Samy norombahin’ny avy amin’ny Irmar avokoa ny toeran’ny ben’ny Tanàna ho an’ireo renivohi-paritany, telo raha ny voka-pifidianana navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, omaly. Anisan’izany ny ao Fianarantsoa sy ny any Toliary ary koa ny any Toamasina.
Mitaky ny mangarahara momba ny tetikasa “Lac Iarivo” ny fiarahamonim-pirenena CCOC – Collectif des citoyens et des organisations citoyennes. Anisan’izany ny hamoahana ny antontanisa momba ny vola mivoaka. Ny antsipirian’ny fifanarahana sy ireo loharanom-bola. Eo koa ny fanamarinana ny maha zava-dehibe sy ny hamehana ny amin’io tetikasa io.