Fikambanana kristianina : Mampianatra mamaky teny sy manoratra

Fotoana hanasongadinana ny ezaka hampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fianarana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, hankalazaina isaky ny 24 janoary. Araka ny tatitra farany navoakan’ny Firenena mikambana, mbola ankizy sy tanora 250 tapitrisa eo ho eo no tsy mandeha mianatra, ary olon-dehibe 763 tapitrisa no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Mahatsapa ny Vavolombelon’i Jehovah fa zava-dehibe loatra ny fanabeazana ka mampianatra mamaky teny sy manoratra maimaimpoana isan-taona izy ireo. Ireo tena mila izany no ampianariny ka voakasika avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy mifidy taona sy fari-piainana, araka ny fanaza­van’ny mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Antananarivo, Rasoloarison Andry. “Manomboka amin’ny famakiana teny ny fianarana rehetra ary ny fanabeazana ara-panahy izay asa lehibe indrindra atao dia mitaky ny fahaiza-mamaky teny rehefa mamaky ny Baiboly», hoy ihany izy.
Ny taona 2024, olona 880 eo ho eo no nampianarina namaky teny sy nanoratra ary namoaka boky fianarana maimaimpoana roa ny Vavolom­belon’i Jehovah. Betsaka ireo nahazo vokatra tsara teo
amin’ny fiainany noho ny fisian’ny boky. Anisan’izany renim-pianakaviana lehibe tany ambanivohitr’i Fianarantsoa,
i Soanantenaina Charline. Vonona ny hampiditra ny zanany roa vavy hianatra izy rehefa avy nampianarina.
Firenena maro maneran-tany no efa nandray soa ta­min’ny fandaharana fampianarana mamaky teny sy manoratra ary maherin’ny 25 000 ireo olona efa niala tamin’ny habadoana vokatry ny fampianarana nataon’izy ireo.

Vonjy

Partager sur: