Hery Fiarovana sy ny filaminana : Tomban’ezaka momba ny zava-bita sy fanatsarana

«Andraikitry ny Foloa­linda­hy manoloana ny firenena». Io no lohahevitra entin’ny Tafika Malagasy miatrika ny fivoriamben’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, omaly. Nanokatra izany ta­min’ny fom­ba ofisialy ny minisitry ny Folo­alindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ny mi­nisitry ny Fi­laminam-bahoaka, ny contrôleur général de police Ra­kotoarimanana Herilala, ny minisitra Delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andrian­tsarafara Andriamitovy. Na­natrika izany ireo tomponandraikitra ambony anivon’ny fibaikoana ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana (FDS) raha ireo tomponandraikitra manerana ny Nosy no mandray anjara. Nisy ny fizarana ny tomban’ezaky ny asa vita ny taona 2024 sy ny asa miandry mandritra ny taona 2025 na­taon’ny mpandrindra ankapoben’ny tetikasa ao amin’ny MFA, ny Jly Razafitombo Ely. Nisy ny fampahafantarana ny momba ny birao nasionaly misahana ny loza sy tandindomin-doza (BNGRC), ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina, ny Centre de fusion des informations maritimes (CFIM) ary ny Centre Re­gional de fusion des informations maritimes (CRFIM). Nisy, araka izany, ny famelabelarana momba ny asa hiantsorohan’ny Foloa­lindahy. Nisy koa ny tsoa-kevitra nivoitra taorian’ny fivoriana haparitaka ho an’ireo sampandraharaha sy ratsa­mangai­kan’ny minisitera.

Jean Claude

Partager sur: