INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny asam-panjakana ny talem-paritra lefitry ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina (IOM) ho an’i Afrika Atsimo sy Atsinanana, i Nihan Erdogan, omaly. Noresahana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Eo koa, ny fahasahiranan’ireo Malagasy mpifindra monina any Maorisy.

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fananganana komity vonjimaika ho an’ny oniversiten’i Toliara. Hiantoka ny fampandehanan-draharaha momba ny fampianarana sy ara-bola ny komity. Hapetraka amin’ny alalan’ny didim-pitondrana ny fanendrena mpikambana sy ny fomba fiasan’ny komity.

Nahazo fampitaovana : appareils pour hémodialyse, béquilles, fauteuils roulants avy tany amin’ny Association Minervois sans Frontières ny Service de réanimation néphrologique) Chu HJRA, tamin’ity herinandro ity. Fampitaovana hanatsarana ny kalitaon’ny fi­tsaboana ireo marary manao «hémodialyse» izany.

Nisitraka laboratoara vaovao ny Ecole nationale d’Informatique (Eni) eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Nanohana ny fananganana izany ny Axian Group ary nahafahana nametraka fitaovana informatika avo lenta sy ho an’ny robotika.

Partager sur: