Notontosaina, omaly, tao amin’ny kianja Parc de Princes, Paris France, ny lalao nifanandrinan’ny Paris Saint Germain Fc (PSG) sy ny Manchester City, ekipa anglisy. Lavon-dry zareo ekipa mpampiantrano tamin’ny isa 4 no ho 2, ny Citizens. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2025”. Efa azo lazaina fa milamina ihany ny toerana misy ny ekipa frantsay, raha toa ka mbola sarotra tanteraka ny ady ho an-dry zareo Man City.
Raha hiverenana ny fifandonan’ireto klioba roa ireto, tany amin’ny fizaram-potoana faharoa vao nisy nahakobana ny harato. Ry zareo avy atsy Angleterre no nahatafiditra baolina roa voalohany, tamin’ny alalan’i Grealish, ny minitra faha-50 sy i Haaland, faha-53 min. Taorian’io nampihena ny elanelan’ny isa ho an’ny PSG, i Dembele (faha-55). Afaka dimy minitra teo, nahasahala ny isa i Barcola. Nanampy izany nitondra ny fandresena ho an-dry zareo frantsay kosa i Joao Neves sy i Gonzalo Ramos.
Mbola manana lalao farany avy ny klioba rehetra mifanintsana amin’ity LDC ity. Raha ho an’ny PSG, ny ekipan’ny Stuttgart Allemagne no mifandona amin’izy ireo. Ny ekipan’ny Club Brugge avy atsy Belgique kosa no mihaona amin’ny Manchester City.
Fitia Randria