Lova sy fitiavam-bola: Novonoiny ny reniny

Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Namono nahafaty ilay renim-pianakaviana teny Andavamamba noho ny lova izy ireo.

Nidoboka am-ponja, oma­ly, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao an-tranony tetsy amin’ny Cité Anjezika Andavamamba. Re­hefa avy niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly ihany. Voasazy higadra an-tranomaizina mandra-pahatonga ny fotoam-pitsarana azy izy vokatry ny vono feno habibiana nataony tamin’io reniny io. Nihaiky ny heloka nataony izy ary resaka lova sy fitiavam-bola ny tena antony namonoany io reniny io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena.
Tsiahivina fa tonga teny anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava etsy Fia­danana ny fianakavian-dRa­kotobe Noeline, ramatoa mipetra-drery tetsy amin’ny Cité Anjezika Andavamamba, ny 15 janoary lasa teo.

Tsy hita ny volana jona 2024
Nilaza izy ireo fa tsy hita io reniny io nanomboka ny volana jona 2024 lasa teo. Natao ny fikarohana sy ny fidinana ifotony nanomboka teo. Voa­sambotra tetsy Ankadimba­hoaka ilay lehilahy zanany ny 17 janoary lasa teo, taorian’izay. Nolazainy tamin’izany fa maty notsindrominy tamin’ny antsy ary naleviny tao an-tranony ihany avy eo io reniny io. Niaraka tamin’ny lehilahy iray izay nokaramainy 200 000 Ariary izy mba hanampy azy nanatanteraka ny asa ratsiny tamin’izany. Nofongarina tao anaty lavaka nandevanan’izy ireo azy kosa ny razana tamin’ny 18 Janoary lasa teo. Voamarina tamin’ny fizahana fa nahitana dian’antsy ny razana. Ity lehilahy nahavanon-doza ity no nampitondrain’ny mpiray tampo taminy, ny fanampiana rehetra ho an’ny renin’izy ireo. Niala sy nandositra ny trano fonenany tetsy Alasora izy taorian’ny famonoany ny reniny. Nitohy ny fanadihadiana ary izao niakatra fampanoavana izao.

Mino

Partager sur: