Mpikambana ao amin’ny Sadc : Mivory eto Madagasikara ny manam-pahaizana momba ny toetr’andro

Manana solontena tonga eto Madagasikara ireo mpikambana ao amin’ny Sadc manatrika ny fivorian’ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro. Fivoriana izay tanterahina mandritra ny herinandro eny amin’ny Ibis Ankorondrano.

Voalohany eto Madaga­sikara no nisian’ny fivorian’ ireo manam-pahaizana momba ny toetr’andro, taona 2025, ho an’ny firenena mpikambana ao amin’ny Vondron’ny firenena aty Afrika Atsimo sy eto anivon’ny ranomasina indianina (Sadc). Noraisina teto amintsika ny fivorian’ ireo manam-pahaizana, tanterahina nanomboka ny 21 ka hatramin’ny alatsinainy 27 janoary ho avy izao eny amin’ny Ibis Ankorondrano. Firenena miisa 16 no mivondrona ao anatin’ity fivoriana ity. Hamolavolana sy hanavaozana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025 ho an’ny Afrika atsimo iray manontolo izany. Nanamafy ny maha zava-dehibe ity fihaonana ity ny tale jenera­lin’ny Foibe famantarana ny toetr’andro malagasy. Nam­barany fa tsy ho an’i Mada­gasikara ihany fa ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ ny Sadc ny fifanakalozana. Tanjon’ny fivoriana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny rehetra sy hifampizarana traikefa ary hamolavolana paikady iraisana amin’ny vinavina sy ny fampifanarahana ny toetr’andro.
Hozaraina mandritra ny atrikasa momba ny vinavi­nan’ny tonon-taonan’ny firenena mpikambana ao amin’ny Sadc na ny “Sarcof-30” ny vokatra azo avy amin’ity fihaonana ity. Hanampy ny sehatra rehetra amin’ny fandraisana andraikitra sy fiomanana mialoha ireo vinavina ireo. Dinga­na lehibe ny fivoriana izay manamarika fiaraha-miasa isam-paritra ka hahafahana manantena fananganana hoavy azo antoka sy maharitra ho an’ny Afrika Atsimo.
Nanome voninahitra ny fotoam-pivoriana ny mpikambana ao amin’ny sekretera jeneralin’ny Vondrona Afrika­nina ho an’ny fampandrosoana na ny Sadc.

Vonjy

Partager sur: