Randrianarisoa Riana : Voatendry ho talen’ny serasera ao amin’ny MJS

Miezaka manova sy manome sehatra ho an’ireo olona vonona hitondra fanovana, amin’ny resaka fitantanana ny minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), i Moustapha Marson Abdulah. Notendreny ho mpiara-miasa aminy, ny tale, Randrianarisoa Riana.

Tapaka nandritra ny filankevitrin’ny minisitra, ny alarobia lasa teo, fa Randrianarisoa Riana, no voatendry ho tale vaovaon’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan­tena (MJS). Tsara marihina fa mpanao gazety matihanina sy mifantoka tanteraka amin’ny resaka fanadihadiana lalina ity voafidy ho mpandrindra ny serasera eo anivon’ny MJS ity.
Araka ny fanazavana na­taony, vonona izy ny hitondra ainga vao sy hampihatra ny traikefany amin’izany, hoentina hampandroso ny minisitera izay hiasany. Notsiahiviny fa efa 25 taona izy no nisahana ny resaka fifandraisana sy ny se­rasera ary manana ny mari-pahaizana “Master II” amin’izany.
“Ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana no he­vitra entiko manatanteraka ny asa izay nampiandraiketina ahy. Misaotra ny minisitry ny MJS, Moustapha Marson Abdu­lah, sahady ny tenako noho ny fahatokisany ahy amin’ity andrai­kitra goavana ho an’ny firenena ity”, hoy ny talen’ny MJS vaovao, Randrianarisoa Riana.

Tanora sy ny fanatanjahantena…
Nohamafisiny hatrany fa manao fikarohana momba ny fampivoarana ny tanora ny te­nany amin’izao fotoana izao, ary mamita ny fianarana “Docto­rat” amin’ny taranja “Antrhopologie”. Ankoatra izay, efa manana fifandraisana amin’ ireo lehiben’ny Fe­derasiona eto Madagasikara ny tenany, anisan’izany ny ta­ranja Kick Boxing, ny Rugby, ny baolina kitra. Tsara ny mampatsiahy fa tonian-dahatsoratra ao amin’ny Ga­zety Taratra, Randriana­risoa Riana. Efa niara-niasa tamin’ny filohan’ny Repoblika Mala­gasy, Rajoelina Andry, nanomboka ny taona 2009, ny talean’ny MJS vaovao, Riana Raymonde.

F.R

Partager sur: