Nilaza ny heviny momba an’Antananarivo Renivohitra ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nambarany fa ilaina hatrany ny fifampiresahana eo amin’ireo mpanolotsaina.
“Azo atao tsara ny mitondra ny tanànan’ Antananarivo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, ny amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra manoloana ny ahiahy hoe maro anisa ny mpanolotsaina mpanohitra. Matoa ny olona voafidy mpanolotsaina monisipaly, mijery hoe: voafidy ve dia hanohitra? Tsy manohitra bontolo ny 80 % amin’ireo mpanolotsaina ireo. Manao ry zareo rehefa hitan-dry zareo hoe mifanaraka tsara amin’ny lalàna ary mampandroso an’Antananarivo. Efa nifampiresahana tamin-dry zareo izany. Tsy maintsy misy ny fifampiresahana… Ny antony: antsika rehetra an’Antananarivo. Ilaina avokoa izay manana andraikitra eto. Ilaina na manohitra aza, miteny ny zavatra tsy mety. Izay mahatsapa fa mety izay atao, manaraka… Na eo afovoany na amin’ny sisiny havia na havanana.
Misy ireo mitabataba…
Raha ny tenin’ireo mpanolotsaina: raha vao fampandrosoana an’Antananarivo dia manaraka izy ireo; raha mifanohitra an’izay kosa, manohitra… Fitiavan-tanindrazana avokoa izany. Amin’ireo mpanolotsaina monisipaly, mijery ny hoavin’Antananarivo: tsy hanohitra befahatany.
“Misy amin’ireo mitabataba no mbola tsy nisedra fifidianana, fa rehefa misy korontana vao mahazo toerana”, hoy kosa izy momba ny mbola fisian’ny manohitra valim-pifidianana. Maninona no tsy mitory sy mangataka fampitaham-bokatra raha misy ny hala-bato? Tsy manaiky valim-pifidianana fa hanakorontana indray? Rehefa mikorontana ny firenena, hiakatra avokoa ny vidin-javatra. Misy ny olona mahazo toerana, fa ny fiainam-bahoaka mihamidina. Efa misy fanantenana be izao ny toekarena hoe miakatra.
R. Nd.