Le Manana, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Manomboka amin’ny 8 ora alina ity fiarahana ity, anio. Hizara ny mozika folk misy fototra malagasy, ity mpanakanto ity. Mozika miaina, efa nentin’i Le Manana tanatin’ny tarika Takasy Hasy sy nalefany hisedra ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izy ireny.
Nakatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny fanohizana ireo asa hamerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Natsidika sahady tamin’izany fa hozaraina roa ny lanonana famerenana ireo vavoka ireo eto Madagasikara, ka hotontaterahina eto Antananarivo ny amin’ny fomba ofisialy. Hatao any Belo Tsiribihina kosa ny fomban-drazana.
Iraimbilanja etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Efa fotoana ifanomezana, satria natao ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao ity ho an’ny Iraimbilanja sy ny mpankafy azy. Anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ity fotoana ity, izay voalohany taorian’ny fivoahana nataon’ny Iraimbilanja tany ivelany ihany koa.
Miantso ireo mpanakanto mpamorona ny ADMC Craam. Mpanao mozika, poeta, mpandihy, sns, izay maniry te hizara ny kantony dia hasaina avokoa hanatona eny Ankatso, na handefa ny mombamomba azy sy ny sanganasany. Halahatra amin’ny fandaharam-potoana mandritra ity taona 2025 ity ireo izay voafantina amin’izany.