Mbola hiala nenina. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly fa tsy tokony ho kivy ny mpanara-dia azy ireo manoloana ny voka-pifidianana teto Antananarivo Renivohitra sy ny tany amin’ny faritra. “Tsy mbola tapitra ny lalana fa mbola afaka mametraka fitoriana fandravana didy isika manoloana ny voka-pifidianana hosoka ka hampiakatra ny raharaha eny amin’ny filankevi-panjakana”, hoy izy tetsy Bel Air, omaly. Mbola misy koa anefa ireo raharaha hafa tokony halefa eny amin’ny fitsarana ady heloka manoloana ny fandikan-dalàna nataon’ireo tomponandraikitra sasany. Notakiany ny hanaovana fanadihadiana momba ireny olona ireny. Ny nanome baiko sy ireo atidohan’izany. Noraisiny ho ohatra ny momba ireo zandary nifidy any amin’ny toerana tsy tokony hifidianany.
Nanteriny fa tokony hanana faharetana ary misy fotoana koa ny zava-drehetra. Mbola notanisainy tamin’izany ireo hosoka sy fandikan-dalàna tamin’iny fifidianana ben’ny Tanàna iny ka nanizingizinany ny tsy fankatoavan’izy ireo izany. Noraisiny ho ohatra ny nahazo ny kandidà, Ratsiraka Roland. “Tsy misy fahalalahana ary tena fanjakana mpampihorohoro no misy eto”, hoy ihany izy. Niaiky ny tenany fa ilaina hatrany ny fiarahana eo amin’ny samy mpanohitra ary samy nahatsapa fa potika ny firenena. Ho hita eo ny hiverenan’ny herin’ny fanoherana, araka ny nambarany.
*
Synèse R.