Antetezanafovoany I : Roa lahy niara-matin’ ny herinaratra

Tovolahy roa samy 17 taona, niara-matin’ny herinaratra tetsy Antetezanafovoany I, omaly maraina. Nanavotra ilay namany ny iray kinanjo niharan-doza izy roa lahy.

Nitsirara tamin’ny tany, niendaka avokoa ny hoditra tamin’ny iray amin’ireo roa lahy may ny herinaratra tetsy amin’ny fo­kontany Antetezanafovoany I, boriboritany voalohany, oma­ly vao mangirandratsy. « Han­deha hivoaka ny trano hihazakazaka izy roa lahy tamin’ny 4 ora maraina», araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny lasibatra tamin’ny sefo fokontany Antetezana voalohany, Lu­dovic Randriamaro. Hanam­pika jiro, nikasika herinaratra tampoka tao anatin’ny trano fonenany anefa ny tovolahy iray vao 17 taona. « Nahita io fahavoazan’ny namany io, nikorapaka hamonjy azy ny ankizilahy iray hafa », hoy ny fanazavana voaray.  Niara-niraikitra vokatry ny tanjaky ny herinaratra anefa izy roa lahy. Nitsirara tamin’ny tany, tapitr’aina ireto farany. « Mpiha­vana saingy tsy iray trano izy ireo », raha ny fanamafisan’ny lehiben’ny fokontany eny an-toerana.

Nihendaka ny hoditra
Niongotra noho ny fahamazaina ny hodi-tanan’ny iray tamin’izy roa lahy. Fiana­ka­viana somary sahirana ara-pivelomana izy mirahalahy. Fisian’ny herinaratra nivoaka ny tariby nitondra ny herinaratra no niteraka ny loza. « Jiro fampiasa amin’ny andavanandro ihany io nahafatesana olona io », hoy hatrany ity tomponandraikitry ny tanàna ity. Avy raha teo ny orana nandritra ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma maraina ka mandomando ny manodidina noho ny eny an-toerana faritra iva. Tsy afa-nanao na inona na inona intsony ny fianakavian’ny lasibatra noho izy roa lahy maty teo noho eo.

Tsiferana R.

Partager sur: